Blue Ventures
home > Home > Careers > Careers - Overseas > Mpandrindra ny Fampandrosoana ny Fiompiana vokatra an- dranomasina

Mpandrindra ny Fampandrosoana ny Fiompiana vokatra an- dranomasina

  • Section: Careers - Category: Careers - Overseas

Asa          Mpandrindra ny Fampandrosoana ny Fiompiana vokatra an- dranomasina

Faharetana            12 volana (farafahakeliny) ka hatramin’ny  3 taona

Toerana iasana       Velondriake, faritra atsimo andrefan’I Madakasikara

 

Andraikitra            Taorian’ny fanorenana an’ny Tambazotran’I Velondriake,  toerana an-dranomasina arovana  dia 25 no isan’ny tanàna mirotsaka amin’ny fitantanana ny  harena an-dranomasina  ary mihoatra ny 70 isan-jato ny mponina mivelona amin’ny fanjonoana eny an-toerana. Tsapa fa ilaina any amin’iny faritra iny ny famoronana asa fivelomana hafa mba hampihena ny tsindry mitambesatra amin’ny ny harena voajanahary indrindra fa ny vokatra an-dranomasina  satria  efa miha-mihena hatrany izy ireny, asa mitarika hoamin’ny fampandrosoana any an-toerana izany.
Tamin’ny volana janoary 2007 no nanao sonia ny fiaraha-miasa amin’ny Blue Ventures, Ny Copefrito ary ny Kompania Aqualab ny fikambanam-behivavy any amin’ny faritra Andavadoaka, hanatanterahana ny tetikasa iray dia ny fiompiana sy ny famatsiana concombre de mer an’ny Copefrito.
Ny andraikitra sahanin’ny Mpandrindra ny fampandrosoana ny fiompiana an-dranomasina dia ny fiaraha-miasa amin’ny mpiasan’ny Blue Ventures eny an-toerana sy ireo  kompania mpanondrana vokatra an-dranomasina toy ny Copefrito, ny mponina ao Velondriake ary ireo komity mpandrindra. Ny tanjona dia ny hampiely sy hampitombo ny fiompiana an-dranomasina tantanan’ny mponina.
Ny mpandrindra ny fampandrosoana ny fiompiana an-dranomasina no tompon’andraikitra ny fitantanana sy ny fampandrosoana an’izany fiompiana an-dranomasina izany.  Ny fanapariahana ny fiompiana concombre de mer amin’ny faritra hafa, izay ao anatin’ny tambazotran’ny toerana voaaro any Velondriaka dia ny mba hiheverana ny fananterahana izany fiompiana izany eo amin’ny lafiny ekonomika ary mba ho asa hahasolo tsara ny fanjonoana.
Ny karama dia mifanaraka amin’ny fahaiza-manao sy ny traikefa hanan’ny mpifaninana voaray.
Ny  toetra takiana amin’ny mpifaninana dia : fahaizana ny asa, faharisiana, fahaizana mifandray amin’olona, fahavitrihana ary fananana fahalalana sy fahaizana momba ny fomba fiarovana tantanan’ny mponina ary traikefa momba ny fampiharana ny  fiarovana tontolo iainana sy/na traikefa fampiharana ny fampandrosoana eny ambanivohitra;
Ny takiana amin’ny mpifaninana dia :

  1. Fari-pahaizana “maîtrise” amin’ny Fanabeazana, Siansa ara-Tsosialy, Fiarovana ny tontolo iainana, jeografia, na Siansa momba ny Tontolo Iainana
  2. Fahaiza-manao/traikefa amin’ny fitantanana tetikasa sy fampianarana
  3. Fahaiza-miserasera tsara na an-tsoratra na am-bava amin’ny fiteny frantsay sy fiteny Angilisy (takiana) ary  fiteny Malagasy (ilaina)
  4. Fahafantarana ny kolontsaina sy fahaizana fomba fiteny vezo (tsara raha hananana)
  5. Traikefa amin’ny fiarovana ny harena misy amorontsiraka amin’ny faritra tropikaly
  6. Fahaizana solosaina sy ny teknolojia ara-pifandraisana
  7. Fahaizana mitantana fotoana sy mandamina asa
  8. Fahaizana miasa samirery sy miaraka amin’ny ekipa
  9. Fanana traikefa amin’ny fahaiza-mitarika

Ireo olona manam-paniriana hifaninana amin’izany asa izany dia iangaviana handefa CV sy taratasy milaza ny faniriany hanao ilay asa miaraka amin’ny laharan-tarobia sy adiresy azo ifandraisana aminy ary miaraka amin’ny anarana sy adiresin’olona roa (reference)  ao amin’ny: jobs@blueventures.org.