Taona manan-tantara ho an'ny Blue Ventures ity. Manomboka amin'ny telozoro haran-dranomasina ka hatrany amin'ny Ranomasimbe Indiana Andrefana, dia nitondra ny fomba fiasanay momba ny fiarovana ny tontolo iainana nahazo loka ho an'ny olona an'arivony maro kokoa izahay, niara-niasa tamin'ny vondrom-piarahamonina sy mpiara-miasa maro kokoa noho ny teo aloha, ary nanome aingam-panahy ny taranaka vaovao izay miahy ny toetry ny ranomasintsika mba ho lasa mpitantana ny tontolo iainana.
Rehefa manakaiky ny fiafaran'ny taona dia nanangona ny sasany amin'ireo zava-nisongadina tamin'ny taona 2016 izahay. Ireo zava-bita ireo dia tanteraka noho ny fanohanan'ireo namana, fikambanana mpiara-miasa ary olona an'arivony toa anao izay mizara ny vinanay, izay maro amin'izy ireo no niaraka taminay tamin'ireo tetikasanay maneran- tany.
Fotoana sarotra ho an'ny ranomasina mafana eto amintsika izao, saingy mino amin'ny fo manontolo isika fa manomboka eny ifotony ny fiovana maharitra, ary amin'ny fihainoana sy famaliana ny filan'ny vondrom-piarahamonina amorontsiraka dia afaka manangana hetsika mavitrika maneran-tany ho fiarovana an-dranomasina isika.
Mirary ny soa indrindra ho anareo izahay amin'ity taona 2017 ity!
Jereo ny tsikera momba ny taona: 2016 – Manafaingana ny fandrosoana





