Ao amin'ny bokin'i Lisa Palmer mitondra ny lohateny hoe Hot Hungry Planet: The Fight to Stop a Global Food Crisis in the Face of Climate Change , navoaka tamin'ny Mey 2017, dia manoratra lava momba ny fomba fiasa mitambatra eo amin'ny Fahasalaman'ny Mponina sy ny Tontolo Iainana (PHE) izy , ary ny fahafahany manampy ireo vondrom-piarahamonina hitantana ny harena voajanahary sy ny fahasalamany.
Efa 10 taona mahery izay no nampidirin'ny Blue Ventures tao amin'ny asany ny fomba fiasa PHE , ary ampiasaina ho toy ny fanadihadiana tranga ao amin'ny Toko faha-5:
"Nandeha tany ivelan'ny faritra mampionona azy ny Blue Ventures mba hamahana ny filana ny fandrindram-pianakaviana, saingy tena ilaina tokoa ny fanaovana izany mba hanatrarana ireo tanjona lehibe kokoa amin'ny fiarovana ny harena voajanahary sy ny zavamananaina."
Vakio ny lahatsoratra hafa avy amin'i Lisa Palmer momba ny hoavin'ny sakafo sy ny tontolo iainana.





