Ny Tambajotran'ny Gazety Tany (EJN) an'ny Internews dia nandidy andian-tantara mikaroka ireo fanavaozana mampikorontana izay mety hisy fiantraikany amin'ny fiarovana ny ranomasina, antsoina hoe Future Oceans , izay manome fijery manerantany sy maro lafy momba ny teknolojia, politika ary olona izay mamorona hoavy vaovao ho an'ny ranomasina eran-tany.
Ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Community Driven Conservation Works to Save Madagascar's Antsants, i Hannah McNeish dia miresaka momba ny fiaraha-miasan'ny Blue Ventures amin'ireo mpanjono antsantsa any Atsimo Andrefan'i Madagasikara.





