Rehefa manakaiky ny Fihaonamben'ny Antoko UNFCCC (COP) any Paris, dia miha-miseho matetika amin'ny fampitam-baovao ny teny hoe faharetana. Matetika isika no mandre momba ny "faharetana ara-tsosialy sy ara-ekolojika", "fampandrosoana mahatanty ny toetrandro" ary "fandaharan'asa momba ny faharetana". Ny Talen'ny Fitsaboana, Dr Vik Mohan , dia miresaka momba ny dikan'ireo teny ireo, ary inona no azontsika ianarana avy amin'izy ireo ao amin'ny Bilaogy Beyond Conservation.





