Namoaka lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Miankina amin'ny fiaraha-miasa eo amin'ny sehatra samihafa ny fandrosoana maharitra eo amin'ny fiarovana ny tontolo iainana , ao amin'ny gazety Guardian tamin'ny volana Mey, ny Dr. Alasdair Harris, mpanorina ny Blue Ventures sady Talen'ny Fikarohana.
Teny avy ao amin'ny lahatsoratra: “Toa marina ny filazana fa mifamatotra tsara ny mponina, ny fahasalamana ary ny tontolo manodidina. Na izany aza, ny ankamaroan'ny fikambanana fampandrosoana dia mbola miasa amin'ny silo





