Nitatitra momba ny valintenin'ireo mpanorina fenitra roa lehibe ho an'ny tetikasa fanonerana karbônina an-tsitrapo ny Eco-Business tamin'ny drafitra hamoronana fanamarinana vaovao ho an'ny indostria. Nodinihin'ny fikambanana tsy mitady tombombarotra Verra sy Gold Standard ny tatitra navoakan'ny Integrity Council for the Voluntary Carbon Market (ICVCM), fiaraha-miasan'ireo manam-pahaizana momba ny toetrandro sy ny fitantanam-bola natsangana tany am-piandohan'ity taona ity. Ny filankevitra dia nomena andraikitra hifehy ny tsena fanonerana karbônina tsy miankina, izay andoavan'ireo orinasa mpandoto be vola ny asa toy ny fambolen-kazo ala sy ny fametrahana takelaka masoandro mba hanesorana ny entona karbônina amin'ny firaketana an-tsorany.
Leah Glass, mpanolotsaina ara-teknika an'ny Blue Ventures momba ny Blue Carbon, dia nilaza fa "afaka miombom-pihetseham-po" amin'ny hevitr'i Verra izy fa ny ambaratongam-pitantanana iray hafa amin'ireo mpanorina ny tetik'asa karbaona dia mety hanampy sakana fanampiny. Nilaza i Glass fa afaka manampy amin'ny fanafainganana ny zava-drehetra ny fampiasana teknolojia, toy ny angon-drakitra sary avy amin'ny zanabolana. "Raha ny fitantanana no ilaina hanatsarana ny tsy fivadihana, ahoana no ahafahantsika manafaingana sy miantoka fa ny ampahany hafa amin'ny fizotran'ny tetikasa dia ho vita haingana kokoa?" hoy izy.
Vakio eto ny lahatsoratra feno: 'Tongasoa' sa 'tsy azo ampiharina'? Manolotra fomba fijery mifanohitra amin'ny tetika momba ny fahamarinan'ny tsena ireo rejisitra momba ny fanonerana ny karbônina.





