Ankasitrahana indrindra amin'ny sokajy "Fikambanana an-tsitrapo tsara indrindra".
Ny loka ho an'ny fizahan-tany tompon'andraikitra dia tohanan'ny responsibletravel.com, Virgin Holidays, The Daily Telegraph, Geographical Magazine ary BBC World News, ary ny World Travel Market. Ireo loka ireo dia mari-pankasitrahana mifaninana indrindra sy malaza indrindra amin'ny karazany eran-tany.
Ireo mari-pankasitrahana ireo dia mankasitraka ireo orinasam-pizahantany izay mitondra anjara biriky tsara amin'ny fiarovana sy ny toekaren'ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana sady manamaivana ny voka-dratsin'ny fizahantany.
Maherin'ny 1,900 ireo mpandraharaha mpizaha tany avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao no voatendry ho amin'ny loka.