Noderaina indrindra tamin'ny loka Tusk ho an'ny fiarovana
Ny Loka Tusk, izay natsangana niaraka tamin'ny Investec Asset Management, dia mankasitraka sy manasongadina ny asan'ireo mpiaro ny tontolo iainana manerana an'i Afrika. Nahazo loka Mendrika Indrindra avy amin'ny HRH The Duke of Cambridge i Dr Alasdair Harris tamin'ny taona voalohany nahazoana ity loka ity noho ny asany niaraka tamin'ireo vondrom-piarahamonina manamorona ny morontsirak'i Madagasikara, amin'ny maha-mpanorina sy tale mpanatanteraka ny Blue Ventures Conservation azy. Miaro ny zavamananaina an-dranomasina sy ny fivelomana nentim-paharazana amorontsiraka ny hetsika ataon'i Harris, ka mamorona hetsika fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina vaovao miroborobo ao amin'ny faritra.