Ny Kongresin'ny Tanora, natao tao Stirling, dia mikendry ny hampiroborobo ny anjara asan'ny tanora eo amin'ny sehatry ny fampandrosoana maharitra sy ny fanatontosana ny tanjon'ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana.
Maherin'ny 600 amin'ireo tanora mafana fo indrindra eran-tany eo amin'ny sehatry ny fampandrosoana maharitra, avy amin'ny firenena 120 mahery, no nanatrika ny Kongresy mba hiresaka momba ny olana manodidina ny fiovan'ny toetr'andro, ny fanalefahana ny fahantrana, ny fanabeazana, ny olan'ny lahy sy ny vavy ary ny Tanjona Fampandrosoana ny Taonarivo.
Raha mila fanazavana fanampiny momba ny Kongresin'ny Tanora Manerantany any Stirling dia tsidiho ny: www.scotland2005.org . Azo jerena ao amin'ny: http://www.peacechild.org ny fampahalalana momba ireo kongresy ho avy.





