Nandritra ny taona maro, ny Vezo - mpanjono nentim-paharazana any atsimo andrefan'i Madagasikara - dia nahita ny fiarovana ny ranomasina ho toy ny loza mitatao, fomba iray hanakanana azy ireo tsy hiditra amin'ny toeram-panjonoana. Mety tsy mahagaga izany amin'ireo vondrom-piarahamonina semi-nomadic ireo, izay ny hazan-dranomasina no hany loharanon'ny proteinina amin'ny 99% amin'ny sakafo ary ny fidiram-bola dia latsaky ny 2 dolara amerikana isan'andro. Ny fahatsinjovan'ny fiandrasana taona maro ho an'ny tombontsoa tsy azo antoka amin'ny fiparitahan'ny trondro avy amin'ny faritra arovana dia mampiseho risika be loatra − sy fahafoizan-tena mafy loatra − ho vahaolana azo ampiharina.
Folo taona lasa izay, izahay (Blue Ventures) dia nanapa-kevitra ny hanandrana handresy an'io olana io, hiara-hiasa amin'ireo vondrom-piarahamonina ireo mba hahatakatra ny ahiahin'izy ireo ary hamolavola fomba fiasa tsy dia mampidi-doza amin'ny fiarovana an-dranomasina izay hamerina ny tombontsoa ara-toekarena manan-danja ao anatin'ny fe-potoana izay niasa ho azy ireo. Ary mba hanampiana amin'ny fanatanterahana izany, dia nitodika tany amin'ny mpiara-dia tsy azo inoana fa manana tongotra valo izahay.