Ao amin'ny lahatsoratra iray ho an'ny Chatham House , vondrona mpandinika momba ny raharaham-pirenena, i Mialy Andriamahefazafy dia manoratra momba ny faharetan'ny vahoakan'i Madagasikara ary indrindra indrindra, ireo vondrom-piarahamonina izay mitarika ny ezaka fiarovana eo an-toerana. I Mialy dia mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanan'ny Blue Ventures ary mpanolotsaina efa ela. Ao amin'ilay lahatsoratra, dia miresaka momba ireo fanamby atrehin'ny firenena amin'ny fiarovana ny harena voajanahary izy sady mampihena ny fahantrana sy mampiroborobo ny fitomboana ara-tsosialy sy ara-toekarena.
Vakio ny lahatsoratra feno 'Karatra paositra avy any Madagasikara: Fampiharana ny harena voajanahary'
Vakio ny bilaogy iray momba ny fomba fandraisan'ireo vondrom-piarahamonina any atsimo andrefan'i Madagasikara andraikitra amin'ny fitantanana ny jono sy ny fiarovana ny ranomasina.
Mianara momba ny tambajotra MIHARI , tambajotran'i Madagasikara momba ny faritra an-dranomasina tantanin'ny olona eo an-toerana.





