Vao haingana i John D. Sutter , mpanoratra lahatsoratra ao amin'ny CNN Opinion, no nandany herinandro niaraka tamin'ny mpiasan'ny Blue Ventures any Atsimo Andrefan'i Madagasikara mba hanoratra tantara momba ny fiovan'ny toetr'andro, ny fahafotsian'ny vato harana, ary ny fiantraikan'ireo fiovana ireo eo amin'ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka.
"Ny fikarohana dia manondro fa saika ny haran-dranomasina rehetra eran-tany dia mety ho very amin'ny 2050… ary olona 275 tapitrisa no miankina amin'ny haran-dranomasina mba ho velona."
Vakio ny tantara feno ary jereo ny lahatsary miaraka aminy eto: Rehefa levona ny haran-dranomasina dia ho levona koa izy ireo
Fantaro ny fomba hanampian'ny Blue Ventures ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka mba hahazaka ny fiovan'ny toetr'andro.





