Ity kitapom-pitaovana ity dia mamaritra ny fomba hanangonana sy hamakafaka ny angon-drakitra mba hamaliana fanontaniana maromaro. Ny angon-drakitra kalitao dia milaza amintsika ny fiantraikan'ny tetikasantsika tamin'ny olona sy ny vondrom-piarahamonina. Izy io dia afaka manome fototra ny isa (data quantitative) angonintsika, na azo ampiasaina ho azy mba hahitana ny fiovana mitranga eo amin'ny fiainan'ny olona. Amin'ny ankapobeny, ny fomba fiasa kalitao dia afaka manome fahatakarana lalindalina kokoa ny fomba nifaneraseran'ny tsirairay sy ny vondrom-piarahamonina sy ny fiantraikan'ny tetikasan'ny Blue Ventures. Ny fahatakarana ireo fomba fijery ireo dia afaka manome fianarana sarobidy ho an'ny hetsika ho avy.
Raha te haka dika mitovy amin'ny kitapom-pitaovana maimaim-poana dia fenoy azafady ireto antsipiriany manaraka ireto. Ny fampahalalana omenao dia hanampy anay hahatakatra ny fomba ampiasana azy io sy amin'iza, mba hamolavola ny fivoarany bebe kokoa ary hamela anay handefa vaovao farany aminao.