Ao amin'ny bilaogy iray ho an'ny International Union for Conservation of Nature (IUCN) , Gilde Tahindraza, Tale Jeneralin'ny Blue Ventures any atsimo andrefan'i Madagasikara, dia mamaritra ny dian'ny faritra an-dranomasina tantanin'ny mponina eo an-toerana (LMMA) ao Velondriake, izay voalohany amin'ny karazany eto Madagasikara. Tamin'ny taona 2006, ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka ao amin'ity faritra ity dia namorona ny LMMA niaraka tamin'ny fanohanan'ny Blue Ventures, mba hanarenana indray ny jonony sy hiarovana ny morontsiraka tropikaly.
Nanomboka teo, ireo vondrom-piarahamonina manerana an'i Madagasikara dia nampiasa ny lalàna nentim-paharazana, fantatra amin'ny anarana hoe dina , mba hananganana LMMA mihoatra ny 200 hiarovana ny jono madinika sy ny tontolo iainana an-dranomasina izay ianteheran'izy ireo.
Vakio ny bilaogy feno Velondriake, LMMA voalohany an'i Madagasikara: fitsapana sy fanatsarana ny modely ho an'ny vondrom-piarahamonina
Mianara momba ny fomba ampiarahan'ireo vondrom-piarahamonina ao amin'ny Velondriake LMMA ny siansa sy ny fahalalana nentim-paharazana mba hampivelarana ny maodely fitantanana ny jono.





