Nizara ny heviny tamin'ny Landscape News i Lalao Aigrette, Lefitry ny Mpitarika ny Fandaharan'asa Ala Manga Nasionaly ao amin'ny Blue Ventures, nandritra ny fanomanana ny Global Landscapes Forum 2018 tao Nairobi.
Ao anatin'ity tafatafa ity izy dia miresaka momba ny asa famerenana amin'ny laoniny ny ala honko ao amin'ny Blue Ventures, ny olana sedrainy, ary ny fanantenany amin'ny forum.
Inona no hafatra entinao mody ho an'ny mpamaky momba ny famerenana amin'ny laoniny ny honko?
Lalao Aigrette : “Tiako ny hanasongadina ny maha-zava-dehibe ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana amin'ny ezaka fanarenana. Heveriko fa raha mikasa isika, raha manetsika ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana, ary raha takatr'izy ireo ny maha-zava-dehibe ny fanarenana, dia azoko antoka 100 isan-jato fa hanao ezaka lehibe izy ireo amin'ny famerenana amin'ny laoniny izany. Heveriko fa ny fandraisan'anjaran'izy ireo no fanalahidin'ny fahombiazan'ny fanarenana.”
Vakio ny tafatafa feno avy amin'ny Landscape News: Fanalahidin’ny fiaraha-monina amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny honko, hoy i Lalao Aigrette ao amin’ny Blue Ventures Madagascar
Hamaky bebe kokoa momba ny fomba fiasa mitambatra an'ny Blue Ventures amin'ny fitantanana ny ala honko tarihin'ny vondrom-piarahamonina





