Nanao fandrosoana ireo vondrom-piarahamonina any amin'ny faritra an-dranomasina tantanin'ny faritra atsimo andrefan'i Madagasikara (LMMA) mba hampitomboana ny fahafahany manara-maso ny tontolo iainana sy manitatra ny tahirin-dranomasina, hoy ny ICCA Consortium – vondrona fiarahamonim-pirenena izay samy mpikambana ao amin'ny Blue Ventures sy MIHARI . Ireo LMMA voalaza ireo dia anisan'ny tambajotra MIHARI ary tohanan'ny Blue Ventures.
Nandritra ny roa taona ireo ekipa antsitrika no nanangona angona tao amin'ny LMMA. Mifototra amin'izany angon-drakitra izany dia nanangana faritra tsy azo alaina amin'ny ahi-maitso izy ireo. Efa manomboka mahita ny vokatra izy ireo ankehitriny: miverina amin’ny laoniny ny jono, izay manatsara ny fivelomana sy ny famatsiana sakafo any an-toerana.
Niara-niasa tamin'ireo ekipa mpanao antsitrika voalohany teo an-toerana izay nanao fanaraha-maso tao amin'ny Velondriake LMMA i Javier del Campo Jimenez, mpandrindra ny siansa ao amin'ny Blue Ventures eto Madagasikara. Miresaka momba izany izy ao amin'ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe Siansa sy fomban-drazana: fifanakalozana fahalalana mba hampiroboroboana ny fiarovana an-dranomasina ao Velondriake (2020).
Vakio ny lahatsoratra feno nosoratan'ny ICCA Consortium: Mitondra fanantenana vaovao ho an'ny fiarovana ny ranomasina eto Madagasikara ireo ekipa mpanara-maso ny antsitrika sy ny tontolo iainana eo an-toerana.





