Karazana sokatra an-dranomasina dimy no hita ao amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara ary voatanisa ho tandindomin-doza araka ny voalazan’ny IUCN avokoa ary arovan’ny lalàna malagasy. Na izany aza, mbola misy ihany ny jono nentim-paharazana mavitrika izay nanjary tsy mahazaka satria nitombo ny mponina amorontsiraka.
Ho fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny sokatra an-dranomasina dia hisy hetsika fanentanana eny amin’ny faritra an-dranomasina (LMMA) telo manamorona ny morontsiraka andrefan’i Madagasikara. Hivoaka ny fandaharana amin'ny onjam-peo sy fahitalavitra izay mikendry ny hanasongadinana ireo olana momba ny fiarovana ny sokatra an-dranomasina ho an'ny olona 20,000 mahery.
Ho tafiditra ao anatin'ireo hetsika mifantoka amin'ny tanora ataon'ny Blue Ventures ao anatin'ny Velondriake LMMA ny fampianarana momba ny sokatra an-dranomasina. Ankizy efa ho 200 eo anelanelan'ny 6 sy 14 taona no hanatrika ny Sekoly Sabotsy (fampianarana momba ny tontolo iainana isan-kerinandro), izay hianaran'izy ireo momba ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny sokatra an-dranomasina amin'ny fampiasana boky tantara an-tsary sy hira nosoratana manokana ho an'ny vondrom-piarahamonina amorontsiraka atsimo andrefana. Ao amin'ny Connecting Classrooms , tanora 60 (12 ka hatramin'ny 20 taona) no handalina ny maha-zava-dehibe ny sokatra an-dranomasina ao amin'ny tontolo iainana an-dranomasina, ary hizara izay ianarany amin'ny tanora hafa manerana izao tontolo izao amin'ny alàlan'ny ConnectingClassrooms.net . Ny klioban'ny tanora momba ny tontolo iainana ao amin'ny Club Aloalo (tanora 45, 13 sy 24 taona) dia hamorona fanambarana fiarovana izay hamporisika ny tanora hafa manodidina ny Velondriake mba tsy hihinana hena sokatra, ary hanaja ny lalàna nasionaly sy ny Dina (lalàna eo an-toerana) manohitra ny fihazana sokatra.
Ireo hetsika ireo dia tsy natao hankalazana ny andro eran-tany ho an'ny sokatra an-dranomasina ihany fa mba hanararaotra ny fetiben'ny sokatra an-dranomasina manaitra ny sain'ny Blue Ventures izay efa nandeha mihoatra ny 600 km izao mba hahatratrarana olon-dehibe sy ankizy 1000 manerana ny morontsiraka andrefan'i Madagasikara. Mampiroborobo ny hambom-pon'i Vezo amin'ny maha-kolotsaina azy sy ny lovany ny fetibe ary mamporisika ny vondrom-piarahamonina hieritreritra momba ny fiarovana ny kolontsainy ho an'ny taranaka ho avy.
'Naotin'ny mpamoaka lahatsoratra':
Blue Ventures dia fikambanana miaro ny ranomasina nahazo mari-pankasitrahana, natokana hiara-hiasa amin'ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana mba hiarovana ny tontolo an-dranomasina atahorana.
Miara-miasa amin'ny sasany amin'ireo mponina amorontsiraka mahantra indrindra eran-tany ny fandaharan'asa momba ny fiarovana malaza mba hamolavola hetsika fiarovana sy fanalefahana ny fahantrana izay miaro ny zavamananaina sy ny fiveloman'ny morontsiraka. Ny vokatry ny asa dia manampy azy ireo hanolotra hevitra vaovao ho tombontsoan'ny vondrom-piarahamonina amorontsiraka na aiza na aiza.
Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, ny Blue Ventures dia nahazo laza iraisam-pirenena noho ny fomba fiasa vaovao amin'ny famahana ny fanamby atrehin'ny vondrom-piarahamonina amorontsiraka. Ny mari-pankasitrahana vao haingana dia ny Buckminster Fuller Challenge, ny Loka Ekoatera ao amin'ny Firenena Mikambana ary ny loka SEED an'ny IUCN - ny sasany amin'ireo loka malaza indrindra manerantany momba ny fanavaozana amin'ny fiarovana ny zavamananaina sy ny fanalefahana ny fahantrana.
Anisan'ireo zava-bita hafa, ny Blue Ventures dia namorona ny tahirin-dranomasina lehibe indrindra tantanin'ny vondrom-piarahamonina ao amin'ny Ranomasimbe Indianina, ary nitarika fandaharan'asa fikarohana feno fatra-paniry laza miatrika ireo olana goavana atrehin'ny fiarovana ny zavamananaina an-dranomasina sy ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka miankina amin'ny harena.
Miaraka amin'ny asa amin'ny fitantanana ny jono sy ny fampandrosoana ny faritra arovana, ny fandaharan'asan'izy ireo dia ahitana ny fikarohana momba ny ranomasina sy ny jono, ny fiarovana ireo karazam-biby tandindonin-doza, ary ny fanabeazana ny tontolo iainana sy ny fampivoarana ny fahafahan'ny fiaraha-monina.
Ankoatra ny fomba fanao mahazatra kokoa amin'ny fikajiana, ny Blue Ventures dia mitantana ihany koa ny hetsika momba ny fiompiana trondro maharitra, ny fandrindram-pianakaviana sy ny tetik'asa momba ny fahasalamam-bahoaka, ary misolovava eo amin'ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena ho an'ny fanavaozana ny politikan'ny jono.





