Fandrakofana tao amin'ny Mongabay momba ny taratasy misokatra izay manohana ny fampidirana ny zon'olombelona ao amin'ny Rafitra Aorian'ny 2020 momba ny Zavamananaina. Nanadihady an'i Vivienne Solís Rivera, solontenan'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona sy ny fiarovana ny tontolo iainana any Costa Rica, CoopeSoliDar, momba ny taratasy misokatra sy ny zon'ireo mpanjono madinika, i Mongabay.
“Manahy manokana izahay ho an'ireo firenena izay tsy nahazoana alalana maimaim-poana, mialoha ary tsy nahazoana alalana. Ohatra, raha ny momba an'i Costa Rica, dia tsy vita izany. Tsy noresahina tamin'ny vondrom-piarahamonina mpanjono io fitomboan'ny faritra arovana io.
Miady ihany koa izahay mba hitazonana ny hevitra momba ny jono maharitra sy ny fampiasana maharitra ny harena an-dranomasina. Ny rariny ara-tsosialy dia tokony ho fototry ny fiarovana; tokony homena lanja mazava ny olona efa manome fahalalana sy ezaka nentin-drazana ho amin’ny fiarovana ny harena an-dranomasina. Heverinay fa ny vazimba teratany sy ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana (IPLC) no mpitahiry ny ankamaroan'ny harena an-dranomasina, ary tokony [hanaiky] izany ny governemanta,” hoy i Solís Rivera nanazava tamin'ny tafatafa.
Hamaky bebe kokoa: 'Tsy maintsy ahitana ny zon'olombelona ny resaka momba ny fiarovana ny ranomasina': Fanontaniana sy Valiny miaraka amin'ny biolojista Vivienne Solís Rivera nataon'i Kimberley Brown ho an'ny Mongabay, 28 Martsa 2022.





