Ny Blue Ventures dia nanangana ny fandaharan'asa momba ny jono sy ny fiarovana ny sokatra an-dranomasina satria niitatra 400 km mianavaratra manamorona ny morontsiraka andrefan'i Madagasikara ny fetiben'ny sokatra an-dranomasina ho fanentanana.
Rehefa avy nitarika fitsidihana nahomby momba ny fanentanana momba ny sokatra tao Velondriake (faritra an-dranomasina tantanin'ny eo an-toerana any atsimo andrefan'i Madagasikara) tamin'ny fiandohan'ity taona ity ny ekipan'ny Blue Ventures, dia nanao fanentanana ara-tsosialy tany amin'ny faritra roa hafa, dia ny tanànan'i Belo Sur Mer sy Maintirano.
Na dia tsy ara-dalàna aza eto Madagasikara, ny fanjonoana sokatra dia fomba fanao nentim-paharazana ho an'ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka any amin'ny ankamaroan'ny firenena, ary vokatr'izany dia mitohy izany fanao izany na dia eo aza ny lalàna momba ny jono. Ny fampiroboroboana ny Fano lany Vezo manegny (Raha lany ny sokatra dia hanenina ny Vezo) dia miorina amin'ny avonavon'ny Vezo amin'ny maha-izy azy ara-kolontsaina sy ny lovany ary mamporisika ny vondrom-piarahamonina hieritreritra ny fiarovana ny kolontsainy ho an'ny taranaka ho avy.
Ny fetibe dia manambatra fampisehoana amin'ny radio sy sarimihetsika, atrikasa ary fifaninanana hanairana ny saina momba ny biolojia sy ny fiarovana ny sokatra an-dranomasina, ary hampiroborobo ny fitantanana tarihin'ny vondrom-piarahamonina. Nahasarika olon-dehibe sy ankizy 1000 ireo fetibe; ary ny komity mpitantana eo an-toerana ao amin'ny faritra roa dia niresaka momba ny fomba hampihenana ny fanjonoana sokatra tsy ara-dalàna. Ny fetibe ao Maintirano dia manantena ny hanorina ny ezaka fanentanana teo aloha sy mitohy amin'ny fiaraha-monina any amin'ny faritra nataon'i Geraud Leroux (Museum Geneve) sy Audrey Campillo (Association Caouanne).
Nilaza i Thomas, mpitantana ny fampielezan-kevitry ny Blue Ventures sady mpanjono Vezo taloha hoe: “ Tena tsara ny fampivoarana ny fetiben'ny sokatra. Heveriko fa ny zavatra ampianarinay dia hanampy ny olona rehetra handinika indray ny fihetsiny, tsy ireo Vezo izay misambotra sokatra ihany fa ireo izay mividy, mivarotra ary mihinana hena sokatra koa, ity fetibe ity dia ho an'ny rehetra! ” Ny Filohan'ny fikambanan'ny mpitantana ny vondrom-piarahamonina, Melaky Miaro ny Tontolo Andriake (MMTD), any Maintirano, dia naneho hevitra hoe: “ Na dia Vezo aza aho ary nipetraka teny amoron-dranomasina nandritra ny androm-piainako dia nianatra zavatra maro avy amin'ny fetiben'ny sokatra eto Maintirano. Ny fananana Vezo izay mahatakatra betsaka momba ny tontolo iainana an-dranomasina manazava ny zava-drehetra ho anay amin'ny fiteninay manokana dia midika fa mahatakatra sy mianatra miaraka izahay rehetra. ”
Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra:
Fikambanana mpiaro ny tontolo iainana an-dranomasina nahazo loka ny Blue Ventures , izay manolo-tena amin'ny fiarovana, fanabeazana ary fampandrosoana maharitra any amin'ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka tropikaly. Amin'ny alalan'ireo dia an-dranomasina ataonay, dia miaraka aminay ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao amin'ny fiatoana amin'ny asa, ny fotoam-pianarana ho an'ny mpianatra ary ny fiofanana, miara-miasa akaiky amin'ireo ekipa mpikaroka eny an-kianja, miaraka amin'ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana.
Mifantoka amin'ny faritra saro-pady amin'ny tontolo iainana sy ny kolontsaina eto amin'izao tontolo izao ny tetikasan'ny Blue Ventures. Takiana amin'ireo mpitsidika rehetra ny mahafantatra fa vahiny manana tombontsoa manokana izahay any amin'ireo firenena, tanàna ary vohitra mpampiantrano anay. Manizingizina izahay fa ny mpikambana rehetra ao amin'ny ekipa, izay miasa ho ambasadaoron'ny Blue Ventures, dia tokony hampifanaraka ny fitondran-tenany mba hahafantarana ny fahatsapana ara-kolontsaina eo an-toerana. Manana andraikitra izahay hampihena ny fiantraikany ratsy eo amin'ny tontolo iainana sy ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana izay iasanay, ary koa hanome tombony azo tsapain-tanana ho an'ireo vondrom-piarahamonina mpampiantrano anay.
Raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny Blue Ventures Expeditions dia tsidiho ny pejin'ny mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny tranonkalanay.





