Ilay lahatsary “Ny hitako dia salama kokoa ny vehivavy… salama kokoa ny ankizy” dia nasongadina tao amin'ny bilaogy New Security Beat an'ny Woodrow Wilson Center.
Enin-taona taorian'ny nananganana ny fandaharan'asa mampiaraka ny tolotra ara-pahasalamana amin'ny fananahana amin'ny fitantanana ny jono any atsimo andrefan'i Madagasikara, dia afaka milaza amim-pireharehana fa tena nisy fiantraikany tokoa izahay, hoy ny tatitra nataon'ny Dr Vik Mohan, talen'ny fitsaboana ao amin'ny Blue Ventures ary dokotera mpitsabo any Royaume-Uni. .