Tamin'ny 15 sy 16 martsa 2017, nisy fivoriana natao tao Zanzibar mba hanamarihana ny fanombohan'ny tetikasa vaovao, izay notohanan'ny Marine Stewardship Council (MSC), mba handinihana ny fanjonoana horita any amin'ny Ranomasimbe Indiana Andrefana. Ny fanatanterahana ity tetikasa ity dia ahitana fiaraha-miasa akaiky eo amin'ny MSC, ny Birao Afrikana misahana ny biby ao amin'ny Vondrona Afrikana (AU-IBAR) ary ny Blue Ventures. Miasa amin'ny fampiharana ny Rafitra Politika sy ny Tetikady Fanavaozana ho an'ny Jono sy ny Fiompiana anaty Rano any Afrika ny AU-IBAR, izay tanjona lehibe ny hahazoana tsena tompon'andraikitra sy ara-drariny ho an'ny hazan-dranomasina. Hizara ny fahaiza-manao azony tamin'ny tetikasany ankehitriny mba hanatsarana ny faharetan'ny fanjonoana horita eto Madagasikara ny Blue Ventures, ary i Steve Rocliffe, Mpitantana ny Fikarohana sy ny Fianarana, sy i Rachel Long, Mpandrindra ny Tetikasa Fanatsarana ny Jono, dia samy nanao lahateny tao amin'ny fivoriana tao Zanzibar.
Hoy ny Dr Oluyemisi Oloruntuyi ao amin'ny MSC momba ny fanombohana ny tetikasa vaovao:
“Mampahery ny mahita ny fandraisan'ny MSC Fisheries Standard ho fitaovana hanoratana sy hanamora ny fanovana eo amin'ny jono maneran-tany. Ny MSC Standard dia eken'ny besinimaro ho rafitra fanamarinana henjana indrindra sy mifototra amin'ny siantifika ho an'ny jono azo amin'ny bibidia, ary hita ho fitaovana hitarihana ny fanatsarana ny jono.
Vakio eto ny tantara feno avy amin'ny MSC: Tetikasa vaovao handinihana ny fanjonoana horita any amin'ny Ranomasimbe Indiana Andrefana
Vakio ny bilaogy avy amin'i Rachel Long, mpandrindra ny tetikasa fanatsarana ny jono: Miasa ho amin'ny faharetana amin'ny jono horita any amin'ny haran-dranomasina eto Madagasikara





