Nisy fifanakalozan-kevitra notarihin'ny Sea Shepherd sy Fair Carbon nandritra ny Fihaonamben'ny Firenena Mikambana momba ny Ranomasimbe (UNOC) tao Lisbonne izay nanasongadina an'i Leah Glass, Mpanolotsaina Teknika momba ny Blue Carbon ao amin'ny Blue Venture. Nanasongadina ny filàna fandraisana anjaran'ny vondrom-piarahamonina amin'ny tetikasa karbônina manga toy ny fiarovana sy famerenana amin'ny laoniny ny ala honko i Leah :
"Betsaka ny zavatra azo ianarana amin'ny fihainoana . Tena ilaina ny famporisihana ny resaka amin'ireo mpisehatra ao amin'ny fanjakana sy ireo vondrom-piarahamonina."





