
Blue Ventures voatonona ho mpandresy amin'ny 2011 Buckminster Fuller Challenge
13 Mey 2011, Londres . Nambara tamin'ity herinandro ity fa tafiditra ho finalista amin'ny Buckminster Fuller Challenge ny Blue Ventures , fifaninanana siansa iraisam-pirenena malaza isan-taona izay manome $100,000 hanohanana ny fampandrosoana sy ny fampiharana ireo tetikasa mifototra amin'ny rafitra iray manontolo izay manana fahafahana lehibe hamaha ireo olana maika indrindra atrehin'ny olombelona.
