
Kayaks mankany Korea - faritra an-dranomasina tantanan'ny eo an-toerana tamin'ny 2012 IUCN World Conservation Congress
Londres, Royaume-Uni – Navoaka ny lahatsary mampiseho atrikasa niarahan'ny Blue Ventures nokarakaraina tao amin'ny Kongresy Iraisam-pirenena momba ny Fiarovana ny Tontolo Iainana an'ny IUCN 2012 tany Korea Atsimo. Nahitana solontenan'ny faritra an-dranomasina tantanin'ny eo an-toerana (LMMA) miisa 16 avy amin'ny firenena toa an'i Fidji, Kenya, Vietnam, Papouasie-Nouvelle-Guinée, India ary Madagasikara ity hetsika ity.