
Huffington Post: Antsoy ny mpampivelona!
Raha manohana ny fandrosoana eo amin'ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza ireo vondrona fiarahamonim-pirenena mandritra ny Fivoriambe Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana tamin'ity herinandro ity, dia mampiseho ny fomba ahafahan'ny fanentanana ny vondrom-piarahamonina mitondra fiovana tsara ireo traikefa vao haingana teto Madagasikara.
