I Hery Lova Razafimamonjiraibe – Mpanolotsaina Teknika Nasionaly ho an'ny Fivelomana ao Madagasikara ao amin'ny Blue Ventures – no nitarika webinar natolotry ny Reef Resilience Network momba ny toeram-piompiana kôkômbra eto Madagasikara.
I Hery, izay mipetraka any Antananarivo, dia manana traikefa efa ho folo taona eo amin'ny sehatry ny fiarovana ny tontolo iainana. Nanome topimaso momba ny fomba namoronana ny maodely fiompiana anaty rano an'ny Blue Ventures niaraka tamin'ny Indian Ocean Trepang (IOT) izy . Nizara lesona azo momba ny fivoaran'ny maodely nandritra ny taona maro sy ny fomba famenony ireo paikady fitantanana jono hafa tarihin'ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka eto Madagasikara i Hery.
Jereo ny webinar 'Fampandrosoana ny toeram-pambolena kôkômbra an-dranomasina ao Madagasikara'
Jereo ny boky torolalana momba ny fiompiana trondro fasika (kôkômbra an-dranomasina)
Vakio ny fanadihadiana nataon'i Hery momba ny "Mpamboly any an-dranomasina"
Sary: Garth Cripps





