Nisongadina tao amin'ny fizarana podcast farany tao amin'ny TED Radio Hour mitondra ny lohateny hoe 'An SOS From the Ocean' ny Tale Mpanatanteraka ao amin'ny Blue Ventures, Alasdair Harris . Ahitana ireo olo-malaza mpiaro ny ranomasina ihany koa ity fizarana ity, anisan'izany i Asha de Vos , Ayana Elizabeth Johnson ary Sylvia Earle.
Mitantara ny fomba nanombohan'ny Blue Ventures teto Madagasikara i Alasdair – amin'ny fihainoana ny filàn'ireo mpanjono madinika sy ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka. Miresaka momba ny fomba fanakatonana vonjimaika ny jono izy ary ny fomba nampiroboroboany ny hetsika fiarovana tarihin'ny eo an-toerana manerana ireo firenena amorontsiraka sy tropikaly izay iasan'ny Blue Ventures miaraka amin'ireo vondrom-piarahamonina sy fikambanana mpiara-miombon'antoka eo an-toerana.
Henoy ny fizarana feno 'An SOS From the Ocean' (ary henoy ny fandaharana nataon'i Alasdair manomboka amin'ny 20:15)
Jereo ny TED Talk an'i Alasdair 'Ahoana no nahatonga ny revolisiona fiarovana ny ranomasina nataon'ireo tanàna mpanjono vitsivitsy'





