
Fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny sokatra ranomasina
Andavadoaka, Madagasikara. Hankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Sokatra An-dranomasina ny Blue Ventures sy ireo vondrom-piarahamonina mpanjono Vezo any andrefan'i Madagasikara amin'ny 16 Jona miaraka amin'ny hetsika maromaro mikendry ny hampahafantarana ny momba ny fahorian'ny sokatra an-dranomasina sy ny filàna fiarovana azy ireo.