Ho an'ny andro iraisam-pirenena ho an'ny ranomasimbe 2019, Ny Banky Iraisam-pirenena namoaka tafatafa niaraka tamin'ny Blue Ventures' Dive and Science Assistant Jemima Gomes. Ny olan'ny fandotoana plastika an-dranomasina no nifantohan'ny antsafa, sy ny valintenin'ny fokonolona tao amin'ny Nosy Atauro.
Avy amin'ny fianakaviana mpanjono aho. Fony aho mbola kely dia nanampy ny raiko nisintona ny harato isan'andro aho. Ankehitriny dia miasa aho Blue Ventures ary nianatra nitsoraka sy nikarakara ny ranomasina…
… Manao fanadiovana tora-pasika tsy tapaka isan-kerinandro i Atauro. Ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy amin'ny firenena samihafa sy olona avy amin'ny vondrom-piarahamoninay dia manangona ny fako amoron-dranomasina. Amin'ny fanadiovana ny tora-pasika any Beloi, manisa ny fako izahay ary mametraka izany ao amin'ny takelaka data. Amin'izay dia manana vaovao isika ary afaka mangataka ny governemantantsika hieritreritra ny olana ary hanao drafitra hitazomana ny ranomasimbentsika.
Vakio eto ny tafatafa feno: Hihaona amin'ilay mpanavao miady amin'ny fako plastika ao Timor-Leste
Midira a Fiaramanidina an-dranomasina tany Timor-Leste