Mongabay dia mitatitra ny vokatry ny fihaonamben'ny ONU any Lisbonne tamin'ny faran'ny Jona 2022:
“Tamin'ny hetsika an-tsehatra nitranga nandritra ny UNOC, ny fiaraha-miasan'ny mpanjono madinika sy ny vazimba teratany dia naneho ny ahiahiny fa voahilika amin'ny dinika sy fifampiraharahana lehibe ny vondrona misy azy ireo.
“Tsy afaka miditra amin'ny fivoriana feno izy ireo, na dia ny fiteny aza,” hoy i Vivienne Solís Rivera , solontenan'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona sy ny fiarovana ny tontolo iainana any Costa Rica, CoopeSoliDar, tamin'ny Mongabay tao Lisbonne. “Koa ahoana no fomba hifampiresahana raha tsy mifandray amin'ny andaniny akory ianareo? Heveriko fa misy andraikitra lehibe ho an'ny … mpitarika mba hahafahany manokatra fifanakalozan-kevitra marina sy mangarahara amin'ireo vondrom-piarahamonina izay tompon'ireo loharanon-karena tiantsika hotehirizina.”
Felicito Nuñez, avy amin'ny Vazimba teratany Garifuna ao Honduras, dia nilaza fa ny Vazimba no manana fahalalana momba ny fiarovana ny harena voajanahary, saingy tsy misy olona manontany azy ireo momba ny fitantanana ireo toerana voajanahary nonenan'ny olony nandritra ny taona maro.
“Tsy hahomby ny ezaka amin'ny fiarovana raha tsy misy olona mahalala”, hoy i Nuñez tamin'i Mongabay. "Ny fampianarana akademika dia azonao atao na aiza na aiza, fa ny fifandraisana amin'ny zavaboary dia ho hitanao amin'ny teratany.
"Tsy afaka mandray fanapahan-kevitra ho antsika izy ireo," hoy izy nanampy. “Tokony ho avy hiara-mipetraka amintsika izy ireo … isika no mipetraka akaikin'ny ranomasina, ka heveriko fa tsy maintsy manatona antsika izy ireo alohan'ny handraisana fanapahan-kevitra.”





