Ny jono nentim-paharazana madinika dia fototry ny fivelomana sy ny fanjarian-tsakafo ho an'ny olona an-jatony tapitrisa manerana izao tontolo izao. Na izany aza, ny tontolo iainana an-dranomasina sy ny jono tohanany dia miatrika fanerena mbola tsy nisy toy izany. Miaraka amin'ny fisondrotry ny fangatahana hazan-dranomasina, ilaina ny fampitomboana ny fivelomana eny amoron-tsiraka mba hampihenana ny tsindry amin'ny loharanon-karena.
Ny Blue Ventures dia miara-miasa amin'ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka sy ireo orinasa tsy miankina amin'ny fambolena trondro eto Madagasikara mba hamolavola asa fivelomana mety mifanaraka amin'ny tontolo iainana sy ny kolontsaina eo an-toerana. Ny fiaraha-mientana ataonay amin'ny fiompiana trondro dia manome loharanom-bola vaovao ho an'ny mponina any amin'ny faritra atsimoandrefan'i Madagasikara, ahafahana manatsara ny fidirana amin'ny sakafo sy ny fanabeazana, sady manamaivana ny tsindry amin'ny zavamananaina an-dranomasina.