Simonnette dia nanatevin-daharana ny Blue Ventures tamin'ny Janoary 2016 ho Mpanampy Siantifika Sosialy. Ny andraikiny dia ny fanaraha-maso sy ny fanombanana ny tetikasa Blue Ventures, ao anatin'izany ny fanangonana, fampidirana ary famakafakana angon-drakitra mba hahafantarana ny fiantraikan'ireo tetikasa ireo amin'ny fiarahamonina.
Nahazo diplaoman’ny Lalàna tao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa izy ary niasa tao amin’ny ONG HFH Toliara ho tompon’andraikitra amin’ny fanentanana ny fiaraha-monina amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy amin’ny alalan’ny fanentanana ny fokonolona hampihena ny trano ratsy.
Simonnette dia avy any Toliara ary manan-janaka iray.