Manambady i Zefrin, manan-janaka iray ary mpanjono Vezo. Efa hatry ny ela izy no naniry ny hiditra tao amin’ny Blue Ventures ka tena nientanentana tokoa izy rehefa niditra tao amin’ny Safidy. Nanomboka niara-niasa tamin'ny BV i Zefrin tamin'ny 2014 ho kapitenin-tsambo, saingy noho ny toetrany karismatika dia nifindra mora tamin'ny fanomezana fanampiana ho an'ny fiarahamonina izy rehefa nandeha nanao asa fitoriana. Manana talenta izy amin'ny fanamorana ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny fiaraha-monina sy ny fampivelarana ny hira sy ny teatra, indrindra ho an'ny tanora. Ny tena tiany indrindra amin'ny asany dia ny ahafahany manampy ny tanora handray fanapahan-kevitra tsara momba ny fahasalaman'ny firaisana ara-nofo sy ny fananahana. Nalaza be izy tamin'ny fizarana fimailo tato anatin'ny roa taona, hany ka nantsoin'ny maro hoe Zefrin Kapoti na Kapiteny Kapety (midika hoe kapitenin'ny kapaoty!).