Nahazo ity loka malaza ity ny Blue Ventures niaraka tamin'ireo mpiara-miombon'antoka aminay ho fankasitrahana ny fiaraha-miasa eo an-toerana izay manome fampandrosoana maharitra sy fivelomana. Nofantenana avy amin'ny mpandray anjara maherin'ny 260 avy amin'ny firenena 66, izay misolo tena fikambanana 1,200, ireo mpandresy.
Ny tetikasa fiaraha-miasan'ny Blue Ventures 'Ny faritra arovana an-dranomasina voalohany tantanin'ny vondrom-piarahamonina sy andrana andrana' dia nofinidy ho 'ohatra mamirapiratra amin'ny fomba hiarahan'ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny fiarovana ny tontolo iainana', araka ny nambaran'ny sehatra iraisam-pirenena nanao ny fifantenana.