Tsy isalasalana fa fitaovana mahomby hiadiana amin'ny fiovan'ny toetr'andro sy ny voka-dratsin'ny jono indostrialy ny fiarovana ny faritra an-dranomasina. Saingy ny fomba tsara indrindra hiarovana ny zavaboary dia ny fiarovana ny zon'olombelona izay monina eo aminy sy miankina aminy, hoy hatrany ny mpanoratra anay.