Fampidirana
Niara-niasa tamin'ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana ao amin'ny faritr'i Andavadoaka, atsimo andrefan'i Madagasikara, ny ONG Blue Ventures, izay miaro ny tontolo iainana an-dranomasina, nanomboka tamin'ny taona 2003. Ny tanjony dia ny miaro ny fahasamihafan'ny zavamananaina, ny faharetana ary ny vokatra azo avy amin'ny haran-dranomasina sy ireo toeram-ponenana mifandraika amin'izany ao amin'ny faritra, sady manatsara ny kalitaon'ny fiainan'ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka eo an-toerana izay miankina tanteraka amin'ny harena an-dranomasina sy amorontsiraka eo an-toerana ho an'ny fivelomana sy ny fidiram-bola. Manaraka ny vokatry ny faritra andrana tsy azo alaina an-dranomasina natomboka telo taona lasa izay, akaikin'ny tanàna kelin'ny mpanjono any Andavadoaka, ny Blue Ventures sy ireo fikambanana mpiara-miombon'antoka, ny Institut Halieutique et des Sciences Marines (IHSM) ao amin'ny Oniversiten'i Toliara sy ny WCS – Madagascar, dia miara-miasa amin'ireo tanàna manodidina 23 amin'izao fotoana izao ho amin'ny fampandrosoana tambajotran'ny faritra arovana an-dranomasina, amorontsiraka ary an-tanety tantanin'ny vondrom-piarahamonina ao amin'ny faritr'i Andavadoaka.