Nianatra tao amin’ny Fakiolten’ny Siansa eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo i Fafah, ary nahazo mari-pahaizana “Maîtrise” momba ny biolojia biby, ny ekolojia ary ny fiarovana.
Ny fianarana nataony dia nanampy azy hahazo fahatakarana matanjaka momba ny fitantanana ny jono, anisan'izany ny biolojian'ny fananahana, ny fanakatonana vonjimaika, ary ny fanombanana ny tahirin-trondro.
Mpanolo-tsaina momba ny fanaraha-maso ny jono, ny fitantanana eo an-toerana ary ny fampandrosoana ny fikambanan’ny mpanjono no efa niasany teo aloha. Nanao sy nandray anjara tamin’ny fanadihadiana ny trondro manerana ireo Faritra arovana maro eto Madagasikara izy.
Nandritra ny asany dia nahazo fahalalana lalina momba ny jono madinika izy, ary nahatakatra ny olana toy ny fanerena ny jono, sy ny fiantraikany amin'ny fiarahamonina amorontsiraka.
Fafah dia niditra tao amin'ny Blue Ventures tamin'ny Aprily 2016. Tena mazoto izy, ary mankafy ny maha mpikambana ao amin'ny ekipan'ny jono honko. Hiara-hiasa akaiky amin’ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka izy mba hampiroboroboana ny jono maharitra sy hanatsarana ny fiarovana tarihin’ny fokonolona.