Nianatra tao amin’ny oniversiten’Antananarivo i Fenitra Rasoloharimanana ary nahazo mari-pahaizana momba ny siansa sosialy. Manambady izy ary manan-janakalahy. Mpampianatra any Toliara ny vadiny.
Niasa tao amin’ny ONG SAGE i Fenitra nanomboka ny taona 2010, nitana toerana maro samihafa teo amin’ny tontolon’ny ala sy ny ekipan’ny fahasalamam-bahoaka. Maniry mafy ny hiditra ao amin'ny Blue Ventures izy mba hizara ny traikefany amin'ny fitantanana ny fandaharan'asan'ny fahasalaman'ny vondrom-piarahamonina ary hanampy amin'ny fitohizan'ny fampidirana amin'ny asa fiarovana an-dranomasina an'ny Blue Ventures.
Heveriny fa ny fanamby lehibe indrindra dia ny hampifanaraka am-pahombiazana ny fandaharan'asan'ny fahasalaman'ny vondrom-piarahamonina amin'ny Ministeran'ny Fahasalamana, ary ny fampivoarana ny Vondrona Tanora miaraka amin'ireo fikambanana eo an-toerana momba ny fitantanana ny harena voajanahary.