Niditra tao amin’ny ekipan’ny Blue Forests tany Ambanja i Dadah ny volana martsa 2013 ary izy no mpamily ny Blue Forests amin’izao fotoana izao. Manampy ny ekipan'ny Blue Forest eny an-kianja ihany koa izy amin'ny fandrefesana ny tahiry karbônina, manisa ireo hazo nianjera sy mandrefy ireo hazo tapaka. Te hanatsara ny fahaizany ara-tsiansa i Dadah ary manantena ny hianatra bebe kokoa momba ny fandrefesana ny tahirin-tsolika ao amin'ny ala honko.
Talohan’ny nidirany tao amin’ny Blue Ventures dia efa niasa tao amin’ny Pecherie de Nosy be ho kapitenin’ny sambo mpanjono nandritra ny 17 taona i Dadah, sady mpamily teknisianina nandritra ny taona maromaro tany Ambanja.