Nianatra tao amin’ny Oniversitem-panjakana Majunga i Roméo ary nahazo ny mari-pahaizana licence momba ny siansa momba ny tontolo iainana ny taona 2012.
Nanomboka ny asany matihanina tao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny ala, DREF Boeny (Majunga), CEF Mitsinjo i Roméo tamin’ny taona 2013 tamin’ny naha mpiara-miasa ara-teknika sy Agent amin’ny doro tanety ao amin’ny CEF Mitsinjo. Ny iraka eny anivon’ny fokontany dia natao ho fampahafantarana sy fanentanana amin’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary: ala, farihy ary koa ny jono.
Taorian’izay dia niasa tao amin’ny tetikasa Asity Madagascar Manager ao amin’ny Faritra arovana Complexe Mahavavy-Kinkony any Mitsinjo izy amin’ny maha mpitantana ny faritra. Manana anjara toerana maro izy amin'ity toerana ity: fanohanana ny fikambanana, ny fizotran'ny TGRN sy ny fampiharana ny Dina eo an-toerana, ny fikambanana mpanara-maso sy mpanohana ny AGR.
Ankehitriny, mpandrindra ny fanohanana ny fikambanana ao amin’ny helodranon’i Mahajamba, any Besakoa izy miaraka amin’ny Blue Ventures. Ny tanjony dia ny hamolavola sy hanohanana ireo fikambanana ao amin'ny Helodrano, ho mpandray anjara fototra amin'ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina.