I Jules Cesar no filohan’ny fikambanan’ny mpianatra Vezo teo anivon’ny oniversiten’i Toliara, izay nianatra lalàna. Niditra tao amin’ny Blue Ventures izy satria fantany ny loza mananontanona ny harena an-dranomasina any atsimo andrefan’i Madagasikara, ary te hanao zavatra amin’izany izy.
“Amin’ny maha-isan’ny Vezo ahy, dia manolo-tena hiaro sy hanampy ny vondrom-piarahamonina mpanjono Vezo aho. Hizara ny fahalalako sy ny traikefako aho mba hahatakaran’ny vondrom-piarahamonina ny zony sy hahazoany mahazo tombontsoa amin’ny fanaratoana azy ireo.”
Niditra tao amin'ny Blue Ventures izy tamin'ny taona 2019 ho tompon'andraikitra amin'ny fifandraisana amin'ny vondrom-piarahamonina ao Teariake sy Morombe.