Nanatevin-daharana ny Blue Ventures tany Ambanja i Nantenaina tamin'ny Febroary 2016 ary nanana traikefa mihoatra ny dimy taona teo aloha teo amin'ny fitantanana ny jono any amin'ny faritra amorontsiraka maro any andrefan'i Madagasikara, niara-niasa tamin'ireo mpiara-miombon'antoka maro toa ny WWF, ny minisiteran'ny Harena an-dranomasina sy ny jono ary ny SmartFish.
Vetivety dia nampiseho fahaiza-mitarika avo lenta izy, ary tao anatin’ny volana vitsivitsy dia nisondrotra ho mpandrindra ny jono, miantoka ny fanatanterahana sy ny fampivoarana ny tetikasam-paritry ny jono eto amin’ny faritr’Ambanja, alohan’ny hifindrana amin’ny toerana vaovao eto Mahajamba ao. 2018.