Noëlinaud manana mari-pahaizana maîtrise amin’ny fitantanana ny vola, ary niasa tao amin’ny minisiteran’ny asa tanana sy ny kolontsaina eto Madagasikara teo aloha amin’ny maha-mpikaroka azy.
Filohan’ny fikambanan’ny tanora mpianatry ny teratany avy any Toliara eto Antananarivo nandritra ny 4 taona izy ary efa nanatanteraka tetikasa roa niaraka tamin’ny Kaominina Ambanivohitra Toliara, ny voalohany dia mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanadiovana ny tanàna ary ny faharoa amin’ny jiron’i Toliara.
Ho fanohizana ny ezaka ataony eo amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy, dia faly sy maniry ny hiara-hiasa amin’ny Blue Ventures izy mba hanampy amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny mpanjono Vezo ao amin’ny faritr’i Velondriake sady mitahiry ny biby an-dranomasina sy ny zavamananaina any atsimo andrefan’i Madagasikara.
Ny fialamboliny dia ny milalao basikety ary indraindray mamaky boky.