Tolotra dia niditra tao amin'ny ekipa Blue Ventures tamin'ny Aprily 2017 ho a Mpiandraikitra ny fifandraisana eo amin'ny fiaraha-monina hanohanana ny ekipan'ny jono hanatsara ny kalitao sy ny fahombiazan'ny fanangonam-baovao any atsimo andrefana. Nivoaka tao amin’ny oniversiten’i Toamasina ny taona 2005, niasa tao amin’ny ONG iraisam-pirenena ary nafana fo tamin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Mikatsaka hatrany ny hahasoa amin’ny fampandrosoana ara-toekarena amin’ny faritra lasibatra misy azy izy, ary miverina amin’ny fotony izy izao hanampy amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mpanjono sady manosika ny hetsika tsara rehetra amin’ny fandaharan’asan’ny Blue Ventures momba ny fiarovana.