Ao amin'ity tantara an-tsary ity, ny Earth Island Journal dia manazava ny foto-kevitry ny karbaona manga sy ny olana manodidina azy, amin'ny fampiasana fanadihadiana momba ny fikambanana mpiaro ny tontolo iainana miaraka amin'ny sary manaitra.
Manao andrana amin'ny crédit karbônina any amin'ny toerana roa eto Madagasikara ny Blue Ventures , fikambanana mpanao asa soa manana ny foibeny any Londres. Mba hanonerana ny fidiram-bola mety ho very amin'ireo vondrom-piarahamonina ireo noho ny tsy fivarotana hazo honko, dia nanomboka tetikasa fiompiana kôkômbra an-dranomasina, fiompiana tantely, ary fizahan-tany ara-tontolo iainana ny vondrona, miaraka amin'ny fambolena solika hafa. "Tianay ho azo antoka fa mahasoa ara-bola ho an'ny vondrom-piarahamonina ny karbônina manga," hoy i Leah Glass avy amin'ny Blue Ventures. "Tsy ho fahombiazana maharitra izany [raha tsy izany]."
Vakio ny lahatsoratra feno ao amin'ny Earth Island Journal: Ao amin'ny Sary: Karbôna Manga Manerana Izao Tontolo Izao
Mitadiava tantara sary momba ny ala honko iray hafa: Mivelona amin'ny ala eo anelanelan'ny tany sy ny ranomasina





