Ao amin'ny lahatsoratr'i Mongabay vao haingana, i Chris Scarffe, dia miresaka momba ny fitomboan'ny fangatahana kôkômbra eran-tany, izay mahatonga ireo mpanjono madinika eto Madagasikara hanao vivery ny ainy sy ny fisamborana mba hanjonoana kôkômbra dia any amin'ny Ranomasimbe Indiana Andrefana.
Any amin'ny iray amin'ireo firenena mahantra indrindra eran-tany, ny fitsirihana lalindalina kokoa hatrany an-dranomasina amin'ny fampiasana fitaovana tsy azo antoka hitadiavana kôkômbra dia iray amin'ireo hany fomba ahazoana vola azo. Na izany aza, io fomba fitadiavam-bola tsy ara-dalàna sy mampidi-doza io dia tsy maharitra, na ara-bola na ara-tontolo iainana; Ny fitomboan'ny fangatahana kôkômbra eran-tany dia midika fa mihena haingana ny isan'ny mponina.
Ny lahatsoratra dia miresaka momba ireo fandaharan'asa fiompiana trondro tarihin'ny vondrom-piarahamonina ao atsimo andrefan'i Madagasikara, izay miezaka manome endrika fidiram-bola vaovao ho an'ireo mpanjono madinika nentim-paharazana, sady mampihena ny tsindry amin'ny zavamananaina an-dranomasina. Na dia mbola fanamby goavana aza ity tetikasa ity , dia miha-eo ambany fitantanana tarihin'ny vondrom-piarahamonina hatrany ireo toeram-piompiana ary mitondra valisoa ho an'ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka.
Vakio eto ny lahatsoratra feno
Sary: Garth Cripps





