Miara-miasa amin'ny Governemanta Madagasikara ny Blue Ventures mba hanampiana ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka hamorona faritra an-dranomasina tantanin'ny eo an-toerana (LMMA) manodidina ny Barren Islands, izay ho lasa faritra arovana an-dranomasina lehibe indrindra eto amin'ny firenena , ary koa ny LMMA lehibe indrindra any amin'ny Ranomasimbe Indiana.
Ity hetsika fitsimbinana fatra-paniry laza ity dia mikendry ny hiaro ny zavamananaina an-dranomasina izay manohana ny jono nentim-paharazana ao amin'ny vondronosy amin'ny fanalefahana ny fanjonoana tafahoatra, ny fampihenana ny fifandirana eo amin'ny mpampiasa loharanon-karena ary ny fampiroboroboana ny fitantanana ny jono.
Tranonkala fikarohana vaovao navoakan'ny Blue Ventures hanehoana ny maha zava-dehibe an'ity LMMA ity.
Fantaro Ny vondronosy Barren Isles: vatosoa ao amin'ny ranomasina safira ho anao!





