Vao haingana ny DW dia namoaka lahatsoratra momba ny fiantraikan'ny fihenan'ny tahirin-trondro sy ny fiovaovan'ny toetr'andro eo amin'ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka eto Madagasikara, ary ny fivelomana hafa izay itodihan'ireo vondrom-piarahamonina ireo rehefa lasa tsy maharitra ny jono.
Any Tampolove, tanàna kely any atsimon'i Madagasikara, izay ahitana trondro sy vary indrindra ny sakafon'ny olona, dia nanomboka niompy ahidrano ny mpanjono.
Noho ny fanohanan'ny Blue Ventures , vondrona mpiaro ny tontolo iainana an-dranomasina any Angletera, ny Wildlife Conservation Society , ary ny Oniversiten'i Toliara , dia nanomboka namboly ahidrano ho an'ny tsena Eoropeana ny tanàna.
Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, nanomboka nanandrana ny fambolena kôkômbra an-dranomasina ( Holoturia scabra ) sy ny moka an-dranomasina elkhorn ( Kappaphycus alvarezii ) ihany koa ny vondrom-piarahamonina. Karazana ahidrano mena ny moka an-dranomasina, izay ahazoana carrageenan - gel ampiasaina amin'ny indostrian'ny sakafo sy kosmetika.
Ny fiompiana ahidrano dia hita fa mahomby ao an-tanàna; Niakatra 13 taonina ny vokatra tamin’ny taona 2013 ka lasa 187 taonina ny taona 2016. “Ary manantena ny hahatratra 250 taonina izahay amin’ity taona ity”, hoy ny lehiben’ny fokontany Badouraly.
Vakio ny lahatsoratra feno: Tsy misy trondro intsony? Hiompy ahidrano izahay
Vakio ny momba ny tilikambo fiarovana vaovao miaro ireo mpamboly kôkômbra an-dranomasina ao Tampolove.





