Uwedikan dia tanàna amorontsiraka tsara tarehy any Sulawesi Afovoany, Indonezia, izay mahasarika mpizaha tany mandritra ny faran'ny herinandro amin'ny fitobiana sy ny snorkeling. Ankoatra ny fizahantany, maro amin’ireo mponina eny an-tanàna no miantehitra amin’ny fanjonoana horita mba hahazoana fidiram-bola. Tamin'ny Febroary 2021, niaraka tamin'i Pak Basir aho tamin'ny dia fanjonoana vao maraina raha nitsidika ny tanàna hanohana an'i Japesda, iray amin'ireo fikambanana mpiara-miasa amin'ny Blue Ventures any Indonezia. Miara-miasa amin'ny vondrom-piarahamonina ao Uwedikan i Japesda, manome fahafahana azy ireo hitarika ny ezaka fiarovana an-dranomasina hitantana sy hiarovana ny jono horitany.
Vakio ny lahatsoratra feno: Fandrindrana ny fitantanana ny jono tarihin'ny vondrom-piarahamonina ao anatin'ny faritra arovana an-dranomasina ao Uwedikan